23/09/2018

Filoha Hery Rajaonarimampianina : « Tsy misy tany lasan’ny vahiny raha mandray andraikitra isika »

Sehatra iray mahasarotiny ny Malagasy ny tany, ny tanindrazany. Novalian’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny filazana ny fanaovana varo-boba ny tany sy ny fivarotana izany 7 ariary ny metra toradroa amin’ny vahiny. «Tsy azo ekana izany. Betsaka ny fitarainana voaraiko fa mijaly ny tantsaha na manana titra ara-dalàna aza. Tsy afa-mamokatra araka ny tokony ho izy fa toa lavitra azy ny fanjakana », araka ny fanamarihan’ny Filoham-pirenena. Anisan’ny mitondra izany fitarainana izany ihany koa ireo fiaraha-monim-pirenena, ny mpitondra fivavahana… Tsy milamina amin’ny taniny ny malagasy ary manao izay tiany atao ny mpanam-bola sy ny mpanararaotra fahefana. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny Malagasy ny Filoham-pirenena ary nilaza fa «Tsy misy tany lasan’ny vahiny raha mandray andraikitra isika ». Miainga any amin’ny olon-tsotra izany fandraisana andraikitra izany amin’ny fampiasana ny tany efa eo aminy tsy hipetra-potsiny, ary amin’ny tsy fivarotana izany amin’ny vahiny. « Sodokan’ny mena miraviravy ny sasany ka sahirana rehefa avy eo mikarakara ny antontan-taratasy », hoy hatrany ny Filoha. Noantitranteriny fa tsy manana zo hividy tany ny vahiny fa manofa no azony atao. Tafiditra tamin’izay fandraisana andraikitra izay ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tokony miainga any amin’ny fokontany, ka hatreny anivon’ny faritra tsirairay, ny ben’ny tanàna, ny lehiben’ny faritra… « Malagasy avokoa ny tompon’andraikitra eto ka tsy baikoin’ny vahiny sy ny mpanam-bola. Aoka atsahatra ny tsikombakomba sy ny kolikoly eo amin’ny fikarakarana ny tany na an’ olo-tsotra na an’ny fanjakana », hoy hatrany ny Filoha. Ao anatin’izany ihany koa ary miteraka disadisa eo amin’ny fairahamonina ny fanararaotana indrindra eo amin’ny vidin’ny tany, izay tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy mba hisian’ny fifampitsinjovana indrindra ho an’ny tantsaha.

Loha-laharana sy maodely amin’ny fiarovana ny tany sy ny fizarana kara-tany i Madagasikara aty Afrika. Zava-behibe ho an’ny fitondrana ny tany sy ny fananan-tany ary mitady ny vahaolana hanarenana ny lesoka. Anisan’ny dingana amin’izany ny fametrahana ny birao tokana mikarakara ny fananan-tany izay efa misy 48 ankehitriny manerena ny Nosy ary telo no efa tafapetraka tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity dia ny tany Port Bergé, Sainte Marie ary Andramasina.

Nahatsapa ny Filoha fa «Fahasoavana no andrandraina amin’ny tany nomen’Andriamanitra nefa lasa fitaovana hanakorontanana ny fiarahamonina sy entina handemena ary mandemy mihitsy ny fitondrana ny resaka tany ». Natsidiky ny Filoha, araka izany, fa ny fanamorana ny fahazoan’ny Malagasy misitraka ny tany no tokony hodinihina amin’ireo atrik’asa sy seminera samihafa mba entina hanasoavana ny mpiray tanindrazana. «Dinihina eny ifotony ny olana rehetra ary manaova teny ierana amin’ny vahoaka », raha nitondika tamin’ireo mpiasan’ny fananan-tany izy. Anisan’ny mbola miteraka fanomezan-tsiny ny mpitondra amin’izao fotoana ny tany natao varoboba tany aloha tany.

Mbola manana velaran-tany midadasika i Madagasikara izay tokony hitondra fahasoavana ho an’ny Malagasy rehetra. Tsy fivarotana tanindrazana ny fitadiavana mpampiasa vola maharitra hampiasa azy ireny fa sehatra entina hampisondrotra ny harin-karena. Misy ireo velaran-tany midadasika no efa hanaovana fanadihadiana ho amin’ny fambolena toy ny any Antsirabe, Boeny, Sofia ary Betsiboka ny volana mey teo. Toy izany koa, faritra ampiasam-bola maharitra indrindra eo amin ‘ny fambolena ihany koa ny any Taolagnaro sy Toliara. «Tsy fivarotana tanindrana mihitsy izany, tsy tokony hijanona ho fatiantoka na hanaovana afera ny tany midadasika, fa tokony hampiasaina hanasoavana ny firenena ao anatin’ny mangaraharaha », hoy ihany ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

 

Miarantsoa