25/05/2018

Filoha Hery Rajaonarimampianina : Nanakaiky ireo traboina

“Tsy irery akory ianareo. Mihaino anareo mandrakariva ny fitondram-panjakana”, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ireo traboina tany Maroantsetra, Antalaha, Sambava ny faran’ny herinandro teo. Tonga tany an-toerana nijery ifotony ny takaitra navelan’ilay rivo-doza Enawo ny tenany ary nitondra fanampiana sy nampanantena fanarenana ny fotodrafitrasa simba. Ho an’ny teo anivon’ny ministeran’ny Mponina kosa, dia nozaraina tamin’iny herinandro iny ny loka goavana ho an’ireo fikambanam-behivavy nandray anjara tamin’ilay fifaninanana “vehivavy mizaka tena ara-toekarena”. Nahazo 20 tapitrisa ariary ny voalohany tamin’izany raha toa ka 10 tapitrisa ariary ny faharoa ary 5 tapitrisa ariary kosa ny fahatelo.