23/06/2018

Filoha Hery Rajaonarimampianina mivady : Noraisin’ny filoha sinoa Xi Jinping tamin’ny fomba manetriketrika

Nitohy omaly tolakandro tany amin’ny kianja Tian Men ao amin’ny Lapan’ny vahoaka ny fitsidihina nataon’ny filoham-pirenena malagasy Hery Rajaonarimampianina mivady. Teo amin’io toerana io no noraisin’ny filoha sinoa Xi Jinping tamin’ny fomba manetriketrika izy mivady. Taorian’ny fandraisan-tanana ireo tompon’andraikitra isan-tokony, sinoa sy malagasy dia nihazo ny ivon’ny toerana ny filoha mirahalahy niatrika ny matson’ireo miaramila sy niredona ny hiram-pirenena. Ny mpitsoka mozikan’ny tafika no niangaly ireo hiram-pirenena izay narahan’ny tafondro 21 vava. Hetsika izay atolotra ireo filoham-pirenena vahiny mitsidika an’i Sina.

Nitohy tamin’ny fihaonana, natrehin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo mpanolotsaina manokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fitsidihina. Fihaonana izay nifantoka tamin’ny endriky ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana eo amin’ny firenena roa tonta.

Nahazo hery vaovao ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta taorian’io fihaonana io. Fifanaraham-piaraha-miasa enina no vita sonia teo amin’ny governemanta malagasy sy Sinoa izay mifantoka amin’ny fametrahana ny fehikibo ara-toekarena sy ny lalan’ny landy, ny fanampiana ara-toekarena maika, ny fanamboarana ny lalan’ny atody (Mahitsy) ary ny fanarenana ireo fotodrafitrasa maro. Nisolo tena ny fitondrana malagasy tamin’izany ny minisitra Atallah Béatrice sy ny minisitra Narson Rafidimanana.

Fifanarahana izay nanampy ireo fampanantenana amin’ny fampiasam-bola ataon’ireo vondron’orinasa Sinoa goavana toa ny CCCC  sy ny Huawei izay hirotsaka amin’ny fanamboaran-dalana, ny fametrahana « smartville » ary ny famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro.

Tsiahivina fa araka ny fanambaran’ny praiminisitra lefitra sinoa, ZHANg Gaolli, i Sina dia mieritreritra ny hampiasa vola manodidina ny 750 000 tapitrisa Dolara any ivelany ao anatin’ny dimy taona, ary afaka manantena ny hahazo tombony amin’izany i Madagasikara.

Fantatra amin’ny hafangainan’ny fiasany ireo orinasa sinoa manao ireo fotodrafitrasa samihafa toa ny lalana, trano, tetezana… Fomba iray ahafahan’i Madagasikara manarina ireo fotoana very noho ireo krizy niverimberina teto amin’ny firenena. Ny Praiminisitra lefitra sinoa, izay nanipika nandritra ny fanokafana ny hetsika « Asia de Boao 2017 », fa miandrandra tanteraka ny fandriam-pahalemana sy ny fitoniana i Sina mba hametrahana ny fandrosoana ara-toekarena.

 

Lambo T. ( Chine) sy Miarantsoa