20/07/2018

filoha Hery Rajaonarimampianina : hanatrika ny fametrahana ny Kardinaly any Vatican

Fantatra izao fa hiazo an’i Vatican ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hanatrika ny fametrahana amin’ ny fomba ofisialy ny marika maha kardinaly an’i Désiré Tsarahazana. Raha ny fantatra dia tsy ho ela no hanainga an-tanindrazana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hanatrika ny sorona masina sy manetriketrika ao Vatikana. Ny sabotsy 20 aprily 2018 , nandritra ilay fotoam-bavaka manokana antsoina hoe “Regina Caeli”, tao Vatican no nanambara tamin’ny fomba ofisaly ny fanendrena ireo kardinaly 14 vaovao eo anivon’ny fiangonana katôlika apôstôlika romana ny Papa François. Tsiahivina ihany fa ny datin’ny 9 janoary 2010 no tsy nanana kardinaly intsony ny fiangonana katolika eto Madagasikara, taorian’ny fodiamandrin’ny Mgr Gaétan Razafindratandra. Ankoatra ny dian’ ny filoha any Vatican ihany koa dia hisy ny fandalovan’ ny filoham-pirenena ao Mauritanie, hanatrika ny fivoriambe andiany faha-31 ny vondrona afrikanina . Marihina fa efa nanomboka tamin’ ny faha- 25 ny volana jona teo ny fivoriana, saingy tsy hifarana kosa izany raha tsy amin’ ny faha- 2 ny volana jolay ho avy izao.

Iratra Raitra