16/11/2018

Fikasihan-tanana mpianatra : Nampidirina am-ponja vonjimaika ilay mpampianatra

Tsy nijanona teo amin’ny fampiatoana azy tamin’ny asany fotsiny ihany fa fantatra koa amin’izao fotoana izao fa nampidirina am-ponja vonjimaika ilay mpampianatra nikasi-tanana mpianatra tao amin’ny sekoly « La Croyance » teny Anjanahary. Omaly no niakatra fampanoavana teny amin’ny tribonaly Anosy ny raharaha taorian’ny fitoriana nataon’ny ray aman-drenin’ilay mpianatra niharan’ny herisetra. Taorian’ny fihainoan’ny mpitsara ny roa tonta dia nanapa-kevitra ny fampanoavana fa ahiditra am-ponja vonjimaika ilay mpampianatra, raha toa ka, fahafahana vonjimaika no azon’ny talen’ny sekoly “La Croyance”. Fantatra fa amin’ny 24 Mey ho avy izao no mivoaka ny didim-pitsarana. Marihina fa nampian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny ray aman-drenin’ny mpianatra tamin’ny fitoriana. Raha tsiahivina dia nalain’ny olona sary “vidéo” ity mpampianatra ity raha iny sendra nikasi-tanana ny mpianany ary tsy vitan’izay fa mbola naparitaka tao amin’ny tambazotra serasera “facebook” ny horonantsary. Raha vao nahita ity farany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fidinana teny amin’ny sekoly ary niafara tamin’ny fampiatoana ilay mpampianatra amin’ny asany sy ny fanakatonana ilay sekoly aorian’ny fanadinam-panjakana 2016-2017.

Laurena Nany