16/11/2018

Fikambanana Maitso Ririnina : Manohana an’i Hery Rajaonarimampianina

Arahaba ririnina e! Tafajoro ny fikambanana maitso ririnina, izay manohana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina laharana faha-12 amin’ny bileta tokana. Raha ny fahitana ity fikambanana ity, dia olom-baovao eo amin’ ny tontolo politika avokoa ny ankamaroan’ ireo mpikambana eo anivony. Raha ny fanazavana nentin’ireo mpikambana dia valiny mahafa-pon’izy ireo tamin’ny zava-bitan’ny fitondrana nandritra ny 4 taona sy 7 volana, ny fanohanana ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izao fifidianana izao. Fanohanana tsy misy fepetra izany, ary tsy mitady tambiny. Tsy hay hoy izy ireo, ny tsy hiresaka ny zava-bita, na fotodrafitrasa io, na ny fampianarana, na ihany koa ny fampivoarana ny sosialim-bahoaka. Tsy nahagaga raha toa ka miabo avokoa ny mari-drefy rehetra eto amin’ny firenena, izay ambony indrindra tao anatin’ny 10 taona dia ny fiakaran’ny harin-karena ho 5 % izany. Tsy mahagaga ihany koa raha nidera sy nankasitraka ny filoha Hery Rajaonarimampianina ireo fiarahamonina iraisam-pirenena, tamin’ny fanomezana azy ny “Prix de l’Excellence pour le leadership” ny talata lasa teo.

Iratra Raitra