22/09/2018

Fihotsahana trano sy tany : Olona roa namoy ny ainy

Olona roa no namoy ny ainy vokatry ny fihotsahana tany sy firodanan’ny trano niseho teto Antananarivo tamin’ity herinandro ity. Teny Itaosy ny tranga voalohany izay namoizana zaza nilalao, ary tsy nanam-po na inona na inona. Araka ny angom-baovao natao, dia nilalao teo an-tokontany ity farany no nihotsaka tampoka ilay tany ka tototra tao io zaza io. Nikoropaka ny iray tanàna rehefa tsy nahita ity niharan-doza, izay noheverin’izy ireo fa lasan’ny rano. Nandeha ny fikarohana saingy tsy nahitana mangirana izany. Tonga saina tampoka tamin’ny zava-niseho anefa ny olona sasany teny an-toerana ka nangadihady ary nanilika avy hatrany ireo tany nihotsaka. Rehefa izany dia nojerena, ary hita tao tokoa ny vata mangatsiakan’io zaza io izay nipetraka ary efa tsy nisy vovok’aina intsony. Vao omaly maraina kosa ny trangam-pahafatesana fanindroany izay niseho teny Andohamandry la Haute Ville. Tokony ho tamin’ny 01 ora maraina tany ho any mantsy no nisy trano nirodana teny an-toerana, ka nahafatesana olona iray teo noho eo. Ankoatra ity namoy ny ainy ity, dia olona roa hafa ihany koa no voatototra tao saingy tsy misy atahorana ny ain’izy ireo.Tonga teny an-toerana moa ny mpamonjy voina taorian’ny nisehoan’ny loza, nandray ny andraikiny tamin’ny famoahana ireo niharan-doza ireo. Mbola takaitra nateraky ny fandalovan’ny rivodoza AVA avokoa ireo tranga ireo, ary namoizana ain’olona nisinisy mihitsy izany raha tsy hilaza afa-tsy ny nahafatesan’ireo mpianakavy miisa valo niandry faty nihotsahan’ny tany, tany Ivory Fianarantsoa. Ankoatra ny aina nafoy moa, dia fotodrafitrasa maro ihany koa no simba vokatr’izay. Tokony hitandrina sy ho mailo hatrany noho izany ny rehetra, ary tsy tokony hanatonkantona eny akaikin’ireny trano na tany mampiahiahy ireny mba ahafahana misoroka ny loza.

Mialy R.