26/04/2018

Fihinanana soka-dranomasina : Olona miisa folo namoy ny ainy

Olona miisa folo no indray namoy ny ainy vokatry ny tsy fahazakana fihinana soka-dranomasina, na fano tany amin’ny fokontany Ambavarano, distrikan’Antsiranana faharoa nanomboka ny alakamisy lasa teo. Olona telo hafa kosa no mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia mpanjono iray no naka ireo hazan-dranomasina nisy poizina ireo, ka nizara izany tamin’ireo namany sy ny olona teo an-tanàna. Noho tsy fahazakana izany anefa, dia nandoa sy nivalana avokoa ireo olona nihinana io biby io. Namonjy hopitaly izy ireo ny alakamisy sy ny zoma maraina lasa teo saingy izao tonga hatrany amin’ny famoizan’aina izao. Raha tsiahivina ihany koa, dia vao tsy ela akory izay no nisian’ilay trangam-pahafatesana am-polony tany Antsiranana noho ny fihinanana trondro “sardine”. Ny “algues” nohanin’ireo hazan-dranomasina ireo moa no nitondra poizina, ka izao namoizan’ain’olona maro izao.

Mialy R.