19/02/2018

« Fifosana anaty facebook” – HIAKATRA FITSARANA ANIO I HIARY RAPANOELINA

Taorian’ny fitazomana teny amin’ny mpitandro ny filaminana ilay artista voarohirohy amin’ny raharaha “fifosana anaty facebook” dia hiakatra fampanoavana anio sabotsy ny raharaha.  Tsy iza io artista voalaza io fa i Hiary Rapanoelina, mpamorona ary mpandrindra io kaonty facebook io. Raha ny fantatra, dia depiote sy mpanakanto no tena isan’ireo nitory azy. Votoatin’ny fiampangana azy ny fanalana baraka sy fanelezana tsaho ao anatin’ny tambazotran-tserasera.  Marihina fa “fifosana hanatsarana ny people gasy” no anaran’ity  vondrona  ity,  izay  hahitana mpikambana maherin’ny 60000. Maro ireo mpanakanto no efa nitaraina momba ity tambazotra iray ity, izay tena mahita faisana amin’ity resaka fifosana ity. Ny ankabezan’ny fiainan’ireo olo-malaza sy ny mpanao politika mantsy dia voatsikera ao anatin’ny vovonan’ity kaonty iray ity. Misy aza moa zavatra tsy marina sy tsaho no haparitak’ireo olona mpikambana ao anatin’izany. Mahatsapa ireo mpanakanto voakasika amin’ity resaka ity fa toa lasa fanapotehina ny fiainan’izy ireo no hataon’ity vondrona ity.  Raha tany am-boalohany, noheverina  fa hanampy ny rehetra ireo tambazotran-tserasera eo amin’ny lafin’ny  fianarana sy ny fifandraisana , amin’izao fotoana izao, dia hita ary azo tsapain-tanana mihitsy fa ny fanapotehana no hita mahazo laka  ao anatin’izany, indrindra fa ny facebook. Ankoatra ny fisian’ny  vondrona mampivaro-tena ankolaka ireo tanora malagasy, dia mahazo vahana  indray ny kaonty  hahitàna  ireo vondron’olona  mpifosa sy mpanaratsy ity. Ny resaka fisolokiana  moa izany dia efa tsy asian-teny intsony fa efa maro no lasibatra. Asa aloha na hisy ny fandraisana fepetra, na ny lalàna hapetraka momba ity tambazotran-tserasera iray ity aorian’izao zava-drehetra mitranga izao. Efa feno ireo porofo hilazana fa mirona tsikelikely any amin’ny faharatsiana izany .   Mbola misy olona roa karohina momba ity raharaha ity, izay mpiray tsikombakomba amin’i Hiary Rapanoelina, ary ho hitantsika miandalana eo ihany ny mety ho mbola tohin’ny raharaha.

Mialy R.