14/11/2018

Fifidianana filoham-pirenena : 46 ireo kandida

Nifarana omaly tamin’ny 5 ora hariva ny fe-potoana hanaterana ny antontan-taratasy ho an’ireo hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena ny 07 novambra ho avy izao. 46 ireo kandida, ary isan’ny betsaka indrindra raha oharina tamin’ny fifidianana teo aloha. 49 ireo nametraka ny antontan-taratasiny tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny taona 2013 raha ny 33 tamin’ireo no neken’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana hiatrika ny fihodinana voalohany. Andrasana araka izany ny fandinihan’ny HCC ireo antontan-taratasy voaray sy ny famoahana ny lisitr’ireo afaka hiatrika ny fihodinana voalohany.

Anisan’ireo hiatrika ny fifidianana ary vonona ny hanohy ny asa efa natombony ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina (HVM) izay nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ny zoma17 aogositra lasa teo taorian’ny famelabelarana momba ny « Fisandratana ». Tafiditra ho isan’ireo mpifaninana ihany koa anefa ireo efa nitana izay toeran’ny filoham-pirenena izay, na voafidim-bahoaka na tamin’ny alalan’ny tolona. Anisan’ireny ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina (TGV), ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana (TIM) ary namarana ny lisitra tamin’ireo nanatitra ny antontan-taratasy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka (Arema). Ity farany izay efa nitondra an’i Madagasikara nandritra ny 23 taona (1975-1993 sy 1997-2003).
Ao anatin’ireo mpifaninana hiady ny toeran’ny filoham-pirenena amin’ity taona ity ihany koa ireo mpitondra efa nitana ny toeran’ny Praiminisitra toa ny Jeneraly Jean Ravelonarivo (janoary 2015 – avrily 2016) avy amin’ny antokom-bahoaka, Jean Omer Beriziky ( novambre 2011 – aprily 2014) natolotry ny Antsika Madagasikara, ary Mahafaly Solonandrasana Olivier (aprily 2016 – jona 2018) avy amin’ny Orimbaton’i Madagasikara.

Tsikaritra ho isan’ireo kandida nametraka ny antontan-taratasiny tetsy Ambohidahy ihany koa ireo hita fa efa nanomana izany tamin’ny endrika samihafa, ary anisan’izany ireo efa nitana ny toeran’ny minisitra toa ny minisitry ny Fanabezam-pirenena telo aloha Paul Rabary (MIASA). Efa kandida tamin’ny 2013, ary efa nitana ny anjara toeran’ny minisitra ary mbola hiady ho filoham-pirenena ihany koa ry Ratsiraka Iarovana Rolland (MTS), Andriamampionona Joseph Martin na i Dadafara (RTM), Jules Etienne Roland (MAFI), Radavidson Andriamparany Benjamin (FFF), Tabera Randriamanantsoa (Kintana). Efa nitana ny toeran’ny Tale Jeneralin’ny Hetra ihany koa Robimanana Orlando (MVF)
Mbola nitsapa ny vintany ihany koa taorian’ny faminaniana tsy nahomby tamin’ny taona 2013 ny Pasitera Mailhol André Christian. Toa izany koa ireo efa mpifaninana tsy nahomby, na tsy afaka nandray anjara tamin’ny fifidianana farany teo toa an-dRabeharisoa Saraha (PLD), Rakoto Jean Pierre (RJP), Ny Rado Rafalimanana (FOMBA)

Manamarika ity fifidianana ity ihany koa ny fisian’ireo mpitantana samihafa teto amin’ny firenena sy ny taranak’izy mpitantana teo aloha ary ireo antoko politika efa tranainy. Ao anatin’izany ny filohan’ny antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max (Leader Fanilo), ny filohan’ny faritra atsinanana teo aloha Alain Mahavimbiny (GAR), ny mpikambana tao amin’ny Arema teo aloha, Andrianoelison José Michel (Aro-riaka), Randriamorasata solo Norbert (UDECMA-KMTP), Bezaza Marie Eliane (PSD), Tsiranana Philippe Madiomanana (GASYMI)

Tsy diso anjara amin’ny hazakazaka ho eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena izany ihany koa ireo mpanakanto ahitana an-dRasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama (Manajazy vahoaka), Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia (GMM), Rabarihoela Bruno avy amin’ny tarika Bruno sy Malala (FAIMA). Teo amin’ny fitantanana sendika kosa no nahafantarana an’i Ernaivo Fanirisoa (ZAMA – PATRAM). Hita ao anatin’ny lisitra ihany koa ireo fantatra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana toa an’i Rajaonary Erick (MAMIMI), Rasolovoahangy Emma (EMA).

Misy amin’ireo kandida ireo ihany koa no mbola tsy fantatra loatra nefa manana ny finiavana hiatrika izany fifidianana izany toa an-dry Narison Stephan (AGMM), Savaron Rasoamalala (Espace Vert), Rasolofonjoa Haingo (Avotra ho an’ny firenena), Zafivao Jean Louis (GASYMI ), Rasolonjatovo Falimampionona (Fitambolagnela), Ramaroson Ariette (Parrainage), Rasoloniaina Korodo Jean Félicien (TAFA), Andrianirina Max Fabien (FM), Ratsietoson Jean-Jacques (FMI-MA), Richard Razafy Rakotofiringa (SJIAM), Radilofe Mamy Richard (RDS), Imbeh serge Jovial(AFIMA), Rasoamaka James (Mamiko ny taniko Madagasikara) ary Andriantseheno Lalaoarisoa (Tafajiaby).

Miarantsoa