21/09/2018

Fifandraisana amin’ i Sina : Tonga omaly ny vary fanampiana milanja 2.100 taonina

Tohin’ny fiaraha-miasa efa naharitra 45 taona. Roa volana taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Sina, mihamafy hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Tonga omaly tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny vary fanampiana milanja 2.100 taonina. Ampahany faharoa tamin’ny vary 4.300 omen’io firenena io. Ny 3 jona lasa teo no tonga ny ampahany voalohany milanja 1.000 taonina, ary mbola andrasana kosa ny 1.200 farany, izay mety ho tonga eto amintsika afaka roa volana eo ho eo. Fanampiana ara-tsakafo nomen’ny fanjakana sinoa entina hanampiana ireo traboina vokatry ny rivo-doza Enawo sy ireo misedra tsy fahampiana ara-tsakafo vokatry ny haitany izao tolotanana omen’ny Sinoa izao. « Porofo izao fa efa matotra , ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta, na izany aza, tsy tokony hionona amin’ny fanampiana isika, indrindra raha ara-tsakafo satria Madagasikara dia manana ny herijika hahatongavana amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo », hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, raha nandray ireto fanampiana ireto niaraka tamin’ny masoivohon’ i Sina eto Madagasikara.

Ankoatra ity fanohanana ara-tsakafo ity, anisan’ireo fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny fanjakana sinoa ihany koa ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa. Anisan’ny natsidiky ny filoham-pirenena tamin’io omaly io ny  asa fanitarana ny seranan-tsambon’ i Toamasina. Toy  izany koa ny fanamboarana ireo lalam-pirenena samihafa ary anisan’izany ny lalam-pirenena faha-10 mampitohy an’Ambovombe sy Toliara.

 

Nangonin’i Miarantsoa