19/10/2018

Fifandonana tany Malaimbandy : Dahalo 5 lavon’ny zandary

Dahalo miisa dimy no indray lavon’ny zandary sy ny fokonolona nandritra ny fifandonana niseho tany Ankitosa, fokontany Mahatsinjo, kaominina Malaimbandy ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 06 ora. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia nanafika ramatoa iray sy ny namany ny dahalo miisa 18 nirongo basim-borona 06 ny harivan’ny alahady lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny entana rehetra izay mbola tsy voafaritra mazava sendra ny mason’izy ireo. Nampandre mpitandro filaminana ireo niharam-boina, ka nisy ny fanarahan-dia izay narahina fifandonana ny alatsinainy maraina lasa teo. Dahalo dimy no indray namoy ny ainy vokatr’izany, raha toa ka tafaporitsaka kosa ireo namany.

Mialy R.