23/09/2018

Fifandonana tany Belobaka : Voatifitra ny kaomanda borigady sy ny lefiny

Mpitandro filaminana miisa telo izay nahitana kaomandin’ny borigady sy ny lefiny, ary zandary iray no voatifitra vokatry ny fifandonana niseho tany amin’ny kaominina Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany maraina. Samy voatifitra teo amin’ny feny havia ireo manam-pahefana roa voalohany ireo, raha toa ka voa teo amin’ny tanany ankavia ihany koa ilay zandary fanintelony. Nanao fanarahan-dia ireo dahalo miisa 30 nirongo basy kalaky sy fitaovam-piadiana mahery vaika hafa, izay avy nangalatr’ omby teo amin’ny 40 isa tao Andranomangatsiaka , fokontany Ambatobe amin’io kaominina voalaza etsy ambony io izy ireo izao niantefan’ny bala izao. Tamin’ny 04 ora maraina tany ho any moa ireo olon-dratsy ireo no tonga nanafika ny tanàna, ary nandroaka ireo omby tao am-bala. Tonga ara-potoana tany an-toerana anefa ireo zandary vantany vao nahazo fampilazana avy amin’ireo zazamainty teo an-tanàna. Nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo malaso ireo mpitandro filaminana, ka voasakan’izy ireo teny an-tenantenan-dalana ireo olon-dratsy ireo.
”Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary dia nitifitra ireo dahalo izay efa nitsitokotoko nijery ny fiavian’izy ireo, saingy niady sy nanao izay faraheriny ireo mpitandro filaminana vitsivitsy ireo” , hoy ny kaomanda Herilalatiana Andrianarisaona, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tamin’izany indrindra moa no naha-voatifitra ireo manam-pahefana miisa telo ireo. “Izay naratra, dia nalefa notsaboina. Izay tsy naninona kosa, dia nanohy ny fanarahan-dia sy ny ady amin’ny asan-dahalo”, hoy ihany ny fanampim-panazavana nomen’ity tompon’andraikitra ity. Ankoatra ireo zandary miisa telo naratra ireo moa, dia dahalo iray ihany koa no lavo nandritra ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Nisy tamin’izy ireo no naratra voatifitr’ireo manam-pahefana saingy nobaben’ireo namany, ary nentin’izy ireo nitsoaka ka tsy voasambotra. Hatramin’ny omaly antoandro, dia mbola nitohy ny fanenjehana ireo dahalo ireo, ary tonga nanatevin-daharana ireo zandary any an-toerana ireo zandary avy any Tsiroanomandidy niaraka tamin’ireo zandary avy eo amin’ny toby manodidina. Raha tsiahivina ihany koa, dia vao andro vitsivitsy lasa izay no nisy jiolahy mpaka an-keriny, izay mampikolay ireo mponina any amin’ny distrikan’i Malaimbandy maty voatifitra sy saron’ireo zandary. Tafiditra ao anatin’ny fanakaikezana ny vahoaka sy ny fiarovana ny ain’izy ireo miaraka amin’ny fananany moa ireo hetsika rehetra izay hatao sy himasoan’ity vondron-kery ity.

Mialy R.