21/10/2018

Fidelis Razafimahefa : Nodimandry omaly

Anarana fandre matetika teo amin’ny radiom-pirenena ny anaran’i Fidelis Razafimahefa. Nodimandry omaly teo amin’ny faha-81 taonany ity andrarezin’ny RNM ity. Mpanao gazety izy ary maro tamin’ireo mpiasan’ny radio no nianatra sy nanovo traikefa taminy. Anisan’ny nampiverimberina matetika ny anarany tao amin’ny RNM, ny fanarahany sy ny fitaterany ny vaovaon’ny filoham-pirenena Philbert Tsiranana tamin’ny Repoblika Voalohany. Mpamokatra fandaharana, ary efa nitana ny andraikitry ny tonian’ny fampahalalam-baovao teo anivon’ RNM ihany koa izy. Anisan’ireo nahafantarana azy ilay fandaharana « Didy aman-dalàna ». Izahay eto amin’ny gazety Triatra dia mirary fiononana ho an’ny fianakaviana