20/09/2018

Fiarovana ny zon’ny olombelona : Nodimandry i Rabary Mathilde

Nodimandry omaly alatsinainy 30 oktobra  i Rabary Mathilde. Ity farany izay efa solombavambahoaka teo aloha, mpitsabo, mpahay lalàna no sady reniny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ankehitriny, Rabary Paul. Isan’ny nahafantarana an’i Rabary Mathilde ihany koa, ny ady nataony teo amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ary nahazoana loka “Prix du courage feminin” avy tamin’ny UNFPA (Fonds des nations unies pour les populations) tamin’ny taona 2008. Izahay ato amin’ny RLM Communication, dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.