23/09/2018

Fiaraha-miasa : Hanampy amin’ny fiarovana ny vakoka ny Sinoa

Tsy ny resaka ara-barotra ihany. Manana fiaraha-miasa matotra amin’i Madagasikara amin’izao fotoana ny firenena sinoa. Nitsidika ny minisitry ny Kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ary ny fiarovana ny vakoka, Jean Jacques Rabenirina, ny zoma lasa teo ny masoivohon’i Sina miasa eto Madagasikara, Yang Xiaorong. Tamin’izany no fantatra fao ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta dia hanampy antsika amin’ny fiarovana ny vakoka ny governemanta sinoa. Voaresaky ny roa tonta ireo endrika sy fomba samihafa hanatanterahana izany fiaraha-miasa izany. Natsidiky ny ambasadaoron’i Sina eto Madagasikara ihany koa ny fanasana ireo teknisiana malagasy, momba ny fiarovana ny vakoka, dia handray anjara amin’ny atrikasa hotanterahina any Sina. Ankoatra ny fiarovana ny vakoka, dia tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny lafin’ny kolontsaina eo amin’ny Sina sy Madagasikara ihany koa ny hisian’ny fifanakalozana. Hisy ny mpanakanto Sinoa ho avy eto Madagasika atsy ho atsy hifanakalo hevitra sy hizara traikefa amin’ireo mpanakanto malagasy.

Miarantsoa