25/09/2018

Fianarantsoa : Mpitsara nisy nitifitra tao an-tranony

Mpitsara iray filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Ankifafa Fianarantsoa no fantatra fa notifirin’ny olona tsy fantatra tao an-tranony. Ny marainan’ny alahady 15 Aprily tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina no nitrangan’ity toe-javatra mampivarahontsana ity, izay fantatra tamin’ny fampitam-baovao fa olona tsy fantatra isa no niditra an-keriny tao an-tranony tamin’io diva haraina io, ka nitifitra azy teo amin’ny lohany avy hatrany. Araka izany dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antondian’ireto olona tafiditra tao an-tranony ireo na nikasa ny hamono azy fotsiny, na koa hitetika ny hangalatra. Naratra mafy noho ny fahavoazany araka ny tatitra ity mpanao lalàna ity, ka voatery tsy maintsy nafindra eto Antananarivo ny tenany notsaboina. Efa misokatra noho izany ny fanadihadiana izay miompana tanteraka amin’ny fikarohana ireo olona niditra an-terisetra tao amin’ity tranona mpitsara niharam-boina ity.

Valérie R.