20/03/2019

Fetin’ny krismasy : Ho maina ny andro eto Antananarivo

Raha tao anatin’ny ora-mikija no nanaovan’ny Malagasy ny fetin’ny krismasy tamin’ny 2017 dia ny mifanohitra amin’izay kosa tamin’ity 2018 ity. Raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro dia ho maina ny andro ato anatin’ny telo andro, saika manerana ny Nosy. Izany hoe, anio 24 ary rahampitso 25 desambra sy afakampitso 26 desambra. Tsy ahiana ny mety hirotsahan’ny orana eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny andron’ny 25 desambra. “Ho maina ny andro amin’ny fetin’ny krismasy fa handrahona kely ho an’ny eto an-drenivohitra, ary saika manerana ny Nosy izany. Ny hariva no hanoram-barotra ny tapany Avaratry ny Nosy, toa ny faritra Sava, Diana, ary hanorana mitsitaitaika ny faritra Atsinanana, sy Atsimo Atsinanana”, araka ny tatitry ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. 17°C kosa ny maripana ambany indrindra any Moramanga, ary 34°C ny ambony indrindra, any Maevatanàna. Hitohy izany ho an’ny andron’ny 26 desambra fa kosa hanorana mitsitaitaika ho an’ny faritra Sava sy Atsinanana ny tapany maraina. Ho an’ny tapany hariva indray dia hanoram-baratra ny faritra Sava sy Diana, ary hanorana mitsitaitaika ny faritra Anosy, Atsinanana, Atsimo Atsinanana. 16°C kosa ny maripana ambany indrindra, izay any Antsirabe sy Fianarantsoa, ary any Maevatanana no ambony indrindra, izay 34°C.

Laurena Nany