16/08/2018

Festival Moudjangaya M’chimé : Mampiseho ny tanjany ny ASCB Boeny

Niditra tamin’ny andro fahatelo omaly, ny fifanintsanana amin’ny « Festival Moudjangaya M’chimé » eo amin’ny taranja basket sy beach soccer. Fifaninanana tanterahina amin’izao fotoana izao any Mahajanga ao amin’ny Complexe Sportif sy eny amin’ny torapasiky ny Village Touristique. Ho an’ny taranja basikety, dia saika nampiseho ny tanjany sy ny fahaiza-manaony avokoa ireo ekipa mpandray anjara. Saingy, misongadina aloha hatreto ny ekipan-dry zareo mpikarakara sady mpampiantrano, ASCB Boeny. Hatreto, dia mbola tsy nahitana faharesena mihitsy ity ekipa ity. Raha nandresy ny ekipan’ny polisim-pirenena, Cospn Analamanga izy ireo teo amin’ny andro voalohany, nandavo ny Ascut Atsinanana tamin’ny isa 84 noho 77 izy ireo teo amin’ny lalao faharoa.

Raha ho an’ny filaharana ankapobeny, dia mitana ny laharana voalohany vonjimaika ny ASCB arahin’ny Cosfa Analamanga eo amin’ny laharana faharoa. Any amin’ny laharana fahatelo kosa ny Ascut.

Eo amin’ny taranja beach soccer indray, dia mitana ny lohany amin’ny filaharana ankapobeny vonjimaika eo amin’ny vondrona « Antsahambingo » i Morondava raha i Toliara kosa no mitarika eo amin’ny vondrona « Baobab » misy azy. Toamasina tamin’ny isa 6 noho 4. Tafavoaka mpandresy ihany koa i Melaky rehefa nandresy an’i Boeny tamin’ny isa 6 noho 4.

Mbola mitohy kosa ny fifanintsanana eo amin’ireo taranja-pifaninanana roa ireo, ary mbola hiovaova araka ny vokatra ny filaharan’ireo ekipa mpandray anjara. Marihina fa hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny fikambanana ASCB Boeny, tarihin’ny filohany, Emile Rakotomalala, ny « Festival Moudjangaya M’chimé ». Hetsika natao indrindra hampiraisana sy hampifaliana ireo mpitia fanatanjahantena manerana an’i Madagasikara izy ity. Raha ny voalaza, ny vola azo sy miditra rehetra mandritra ny hetsika, hoentin’ny mpikarakara hanampiana sy hanaovana asa sosialy ao Mahajanga.

MN