23/10/2018

Fenoarivo : Mpanao fanafihana 10 voasambotra

Voasambotra avokoa ireo folo lahy efa nokarohina fatratra amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, vaky trano sy fanendahana ary hala-botry. Efa ny volana aogositra no nanokatra ny fikarohana ireto jiolahy mampitondra faisana ny mponina ao amin’ny faritra Ampitatafika sy Fenoarivo ireto ny zandary. Naharay vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo araka izany ny zandary teny an-toerana, fa misy jiolahy nikononkonona hanao fanafihana. Nidina ifotony nanao ny fisafoana teny amin’ny toerana voalaza ireo mpitandro filaminana, izay mbola tafiditra ao anatin’ny hetsika “Mandio”, ka tamin’ny alalan’izay no tratry ny vela-pandrika ireto folo lahy ireto. Mbola sarona teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana mahery vaika, tahaka ny basy vita gasy iray ary « pistolet » iray hafa, hita tao amin’ny trano nitoerany nandritry ny fisavana. Araka ny fantatra dia tsy mifidy zavatra hangalarina intsony ireo olona ireto, ka efa tsy zoviana amin’ny olona eny amin’ny manodidina intsony. Rehefa nanaovana ny fanadihadiana kosa izy ireo, dia niaiky ny helony teo anoloan’ny zandary nisahana ny raharaha. Naseho teo anoloan’ny mpampanoa lalàna teny anivon’ny fampanoavana ny sabotsy lasa teo ireto farany, ary nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany.

Valérie R.