17/01/2018

Fasan’ny karana : Rava ny tambazotra mpivarotra basy

Ravan’ny polisy, tamin’ny asabotsy 19 aogositra lasa teo, teny amin’ny fasan’ny karana ny fikasan-dratsin’ny telolahy nikasa hivarotra basy vita gasy , calibre  12 niaraka tamin’ny bala miisa dimy. Araka ny fampitam-baovao, dia  polisin’ny boriborintany fahadimy, nanao fisafoana ny tanàna no nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa nasehon’izy ireo. “ Vao nifanehatra tamin’ny polisy nanao ny asany izy telolahy ireo, dia mahamahana ary nitsoaka avy hatrany. Narahan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo, ary izao tra-tehaka teny amin’ny fasan’ny karana izao”, hoy ny fanamarinam-baovao voaray. Ny roalahy tamin’izy ireo, izay 53 sy 27 taona no voasambotra teny amin’ny manodidina ny toby fiantsonan’ny taksiborosy eny an-toerana, raha toa ka tafaporitsaka  ilay naman’izy ireo fanintelony. Niditra an-tsehatra tamin’ny fisavàna azy ireo ny mpitandro ny filaminana, ka tamin’izany no nahatrarana io fitaovam-piadiana io, izay nasitrika tany anaty sakaosy. Mbola nahitàna antsy ihany koa, niaraka tamin’io basy io.

Rehefa natao moa ny fanadihadiana, dia fantatra, fa tany Ambositra no nividiananan’izy ireo io fitaovam-piadiana io, tamin’ny sarany 150.000 ariary, ary nokasaina hangalàna tombony sy amidy any Moramanga indray izany avy eo. Nohamafisin’izy ireo ihany koa, fa an’ilay lehilahy tafaporitsaka io no tena tompon’ny entana, fa mpitady mpividy ihany fotsiny izy ireo.  Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ihany koa no mbola nahalalana,  fa mpamboly no tena asan’izy roalahy ireto any Moramanga.  Isan’ny fototra goavana mahatonga ny tsy fahandriam-pahalemana eto amintsika, ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalana. Na dia efa manao ezaka goavana amin’ny famongorana izany ihany koa aza ny fitondram-panjakana, mba hahafahana mampandry fahalemana ny tany, dia tsikaritra fa mahita lalana hitondrana sy hamarotana izany foana ireo olon-dratsy.  Hatreto, dia mbola tsy fantatra mazava ireo olona na tambazotra tena mpamatsy ireo fitaovam-piadiana miparitaka ireo. Matetika mantsy, dia tsy mety milaza sy manondro ny nipoiran’ireo basy, ireo jiolahy na olona tratra nitondra izany. Atolotra ny fampanoavana anio moa izy roalahy ireto, raha toa ka mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay naman’izy ireo tafaporitsaka.

 

Mialy R.