19/10/2018

Faran’ny taona:HO SEMBANIN’NY ORANA

Hidina indray ny maripana manomboka androany vokatry ny fisian’ny alizay matanjaka izay mamaritra ny toetry ny andro manerana an’i Madagasikara ankehitriny. Misy ny andro ratsy miforona any amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Madagasikara izay mitondra tafiotra manodidina ny 40° C isan’ora. Hatramin’ny alakamisy ho avy izao dia hidina ny maripana tsy toa ny tamin’ny herinandro lasa teo. Ireo faritra avo eto afovoany dia  ahita maripana manodidina ny 26° C. Tsy ahiana hivadika ho rivodoza kosa aloha ity andro ratsy ity hatreto. Any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy izay hiforonany kosa no ahitana tafio-drivotra manodidina ny 60° C. Raha maina tanteraka ny andro nandritra ny fetin’ny Noely dia oram-baratra kosa no hitsenana ny taona vaovao 2017. Hanjaka ny oram-be manerana ny faritra eto Madagasikara  hafa tsy ny ao amin’ny tapany atsimon’ny nosy ihany. Ny marainan’ny faha-31 ny volana desambra dia hanjaka ny orana ary hiverina indray izany ny alin’ny faha-31 ny volana Desambra izay. Mbola ahazo vahana hatrany izay oram-be izay mandritra ny tontolo andron’ny 1 ny volana Janoary 2017. Ho maina tanteraka kosa ny amin’ny tapany atsimon’ny nosy raha ny fanazavana voaray avy eo amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro hatrany, ny tompon’andraikitra Rivo Randrianarison. Mandrahona ny andro manomboka anio any amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara, arahina orana malefaka. Hikisaka aty amin’ny atitany kosa ny orana arahin-kotroka ny zoma ho avy izao. Mety hisy ihany ny fiovana amin’ny maha-vinavina mahakasika ny toetry ny andro izay. Tsy dia hiova ny maripana hatramin’ny Alakamisy ho avy izao , somary hangatsiatsiaka kosa ny toetry ny andro amin’ny faritra maro. Manoloana ny andro ratsy hita any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy kosa dia misy ny fampitandremana mihatra amin’ireo mpanjono sy mpampiasa ny ranomasina, tokony hitandrina fatratra noho izany ireo mpampiasa  ny ranomasina any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy.

N.I