16/11/2018

Fanondranana vehivavy : Lehilahy iray nampidirina am-ponja

Olona iray no natolotra ny fampanoavana, ary efa nampidirina eny am-ponja noho ny resaka trafikan’olona sy fandefasana ireo vehivavy  mankany amin’ireo firenena arabo. Voakasika manokana amin’izany Liban, Kaoety ary Arabia Saodita. Efa nisy mihitsy aza moa   ny didy fandrarana nivoaka momba ity resaka ity efa  an-taonany maro izay,  saingy misy foana ireo minia mandika izany. Anisan’ny fepetra noraisina  sy takian’ny fanjakana  amin’ireo vehivavy malagasy mikasa hiondrana any ivelany ohatra,  ny fananana taratasy fampiantranoana mazava any amin’ny firenena izay handehanany. Mivoaka io vao afaka manome pasipaoro ireo tompon’andraikitra amin’izany. Fiarovana ireo vehivavy malagasy,  izay hiharan’ny herisetra maro isan-karazany, ary  miafara amin’ny fahafatesana  matetika,  no antony  tena namoahan’ny fitondram-panjakana io didy io. Hatreto anefa dia mbola misy olona mitady lalana sy manao izay ho afany mihitsy  hahafahana miondrana any amin’ireo firenena telo ireo, na dia efa maro aza ireo fepetra noraisina sy napetraka. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo izao  no nahatratrarana  vehivavy miisa 17 tratra saika hiondrana any amin’ireo firenena arabo ireo. Nilaza ny ho any Maorisy ireto farany,  nefa rehefa natao ny fisavana sy ny fanadihadiana, dia ho any amin’ireo firenena arabo,  izy ireo “Ny fepetra  misy foana. Hianao mametraka fepetra fa ny olona mahita  hevitra hialana amin’izany . Izay no antony hitadiavana hevitra hatrany amin’ny fanamafisana an’izy io. Ilay olona tsy miteny hoe ho any ihany koa rehefa hiala eto, fa rehefa tonga any amin’izay alehany izy ireo vao manova ny lalak’ombany”, hoy ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny mpifindra monina sy ny fifindra-monina, Andrianisa Mamy  Jean-Jacques.

Mialy R.