15/08/2018

Fanondrahana odimoka isan-tokantrano : Maharo mandritra ny 7 volana

Ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano no antsoina hoe “Campagne d’ Aspersion Intra Domiciliaire” na “CAID”. Anisan’ny paikady iray ampiasain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hiadiana amin’ny tazomoka. Ny tokantrano rehetra eto afovoan-tanin’i Madagasikara no manao azy io ankehitriny. Araka ny fampilazam-baovao avy amin’ny minisitera dia fanafody vaovao antsoina hoe “Actellic 300CS” no ampiasaina. Raha ny fisokajiana siantifika no resahina dia tafiditra ao anatin’ny fianakavian’ny Organophosphores ary ny kilasy misy azy dia Pyrimiphos methyl. Efa vita fanamarinana sy neken’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana na OMS io fanafody io, ary maharo ny tokantrano mandritra ny 7 volana. Voalaza fa somary mahery fofona izy io ka tokony harahina tsara ny toromarika apetraka aorian’ny famendrahana. “Akatona mandritra ny ora roa (2 ora) ny varavarambe sy varavarankely rehetra. Aorian’izay dia sokafana midanadana ny varavarana rehetra mandritra ny ora roa (2 ora) hidiran’ny rivotra. Fafana ny trano ary halevina anaty lavaka ny fako na ny vovoka nirarahan’ny fanafody teo. Aza lokoina na sasana ny rindrina mandritra ny 7 volana aorian’ny famendrahana. Azo ampiasaina ary tsy misy hatahorana amin’ny fahasalamana ny fanafodin’ny CAID”, hoy ny fanazavana avy eo amin’ny minisitera. Fantatra hatrany fa efa voalanjalanja ny akora ampiasaina aminy, ary tsy misy atahorana ho an’ny sokajin-taona rehetra ao an-tokantrano. Araka ny fanamarihana voaray moa dia efa tsy azo ampiasaina eto Madagasikara ny DDT na ny Dichlorodiphényltrichloroéthane. Fa raha misy kosa ny mampiahiahy dia manatona ny tobim-pahasalamana na ny mpanentana ara-pahasalamana akaiky indrindra.
« Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka! », io no lohahevitra hiadiana amin’ny aretina tazomoka amin’ity taona ity.

Laurena Nany