12/12/2017

Fanolanana teny Ivato : Zaza 6 taona niakatra fitsarana

Somary mahagaga ihany ity fisehoan-javatra iray nitranga teny Ivato ity ny alahady 12 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva. Zazakely iray antsoina hoe M. M. T. D. ilay voalaza fa niharan’ny fanolanana tao amin’ny trano fonenany.  Araka ny angom-baovao voaray dia zazalahy 6 taona monja no voalaza fa nahavita ny fanolanana. Tsy tao ny ray aman-drenin’ ilay zazavavikely tamin’io fotoana io fa ny renikeliny sendra niditra ny trano no nahita azy ireo. Taorian’izay dia nentina nozahana tany amin’ny mpitsabo ity farany, ary voamarina fa simba.  Niezaka ny nangataka fifampiraharahana tamin’ny ray aman-dreniny ny rain’ ilay zaza nahavita izany, saingy tonga teny amin’ny Fitsarana ihany ny raharaha ny niafarany.  Taorian’izay dia nanamafy ihany koa ny rain’ny zazalahy fa misy tsy fifanarahana eo amin’izy roa tonta ireo, ka mety izay no  antony nanosika azy ireo hitory. Telo andro taorian’izay vao nandeha ny fomotorana ilay zaza teny anivon’ny polisy misahana ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona tetsy Tsaralalàna.

 

 

V.R