14/11/2018

Fanesorana ny fako eto an-drenivohitra : Hisy hetsika vaovao

Tsy vao sambany izao fa saika isaky ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny orana dia misavovona hatrany ny fako eto an-drenivohitra. Manoloana izay indrindra, nanamafy ny teo anivon’ny kaominina fa manadio ny tanàna no anjara andraikiny ary ny Samva, izay miankina amin’ny ministeran’ny Rano, no tokony hanala ny fako amin’ireny dabam-pako lehibe iraisana ireny. Na teo aza ny hetsika « coup de poing » nokarakarain’ny kaominina niaraka tamin’ny Samva sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa herinandro vitsivitsy dia tsikaritra fa tena mbola mivangongo ary efa mivoaka ny arabe ny fako. Nambara tsy araky ny Samva ny fanalana azy ka manoloana izay dia hanampy azy ireo indray amin’ny fanomezana kamiao miisa 10 hitatitra ny fako ny kaominina. Hisy mihitsy ny hetsika vaovao hanesorana ny fako eto an-drenivohitra ireo izay karakarain’ny kaominina. Tetsy ankilany, nanentana ny mponina amin’ny tokony hitandroana ny fahadiovana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina satria andraikitry ny tsirairay izany. « Adidy ary andraikitra ny rehetra io fahadiovana tanàna io, ka tokony hitandro izay fahadiovana izay ny rehetra eny an-dalambe, satria rehefa tsy mandoto dia efa manadio, ary tokony harahina koa ny ora fanariana fako eny amin’ny dabam-pako lehibe iraisana ireny dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina no tokony ho fanariana ny fako izay », hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, ny kolonely Ramboasalama Emilien.

Laurena Nany