21/09/2018

Fanendahana miaro tsindron’antsy : Voasambotry ny polisy i Lavakely

Saron’ny polisy ny zoma lasa teo vao mangiran-dratsy i Lavakely na i Nandrianina, iray amin’ireo mpanendaka miaro tsindron’antsy mampitaraina ny olona eny Ambodivona sy ny manodidina. Tamin’ny alalan’ny vela-pandrika izay napetraka no nahafahana nisambotra ity olon-dratsy efa tena ikoizana ity teo akaikin’ny “Espace Medical” teny an-toerana. Teo am-pikasana hanendaka polisy nanao fanamiana sivily izay nanjonoana azy mantsy no noraisim-potsiny i Lavakely. Nitari-dositra nitsoaka kosa ireo namany roalahy izay mpiaraka aminy, vao nahita ireo mpitandro filaminana nitily lavitra nivoaka. Raha ny voalaza ihany koa, dia ity farany no tompon’antoka tamin’ny fanendahana sy ny fanindronana antsy in-telo miantoana ilay mpiasa amina fahitalavitra tsy miankina iray eny amin’ny manodidina, telo herinandro lasa izay. Efa nohamafisin’ny niharan-doza mihitsy fa ity lehilahy ity no nanendaka sy namono azy. Efa natolotra ny fampanoavana moa ity olon-dratsy ity, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Mialy R.