14/08/2018

Fanelanelanana iraisam-pirenena : Tonga eto Madagasikara i Ramtane Lamamra

Tonga teto Madagasikara omaly i Ramtane Lamamra tompon’andraikitra ambony eo anivon’ ny vondrona afrikanina, ity farany izay efa tsy zoviana amin’ ny maro intsony nandritra ny fanelanelanana nisy nandritra ny krizy ny taona 2009. Ny harivan’ny alahady kosa no nigadona teto Madagasikara ihany koa i Abdoulaye Bathily, izay iraka manokan’ny sekretera jeneraly ny vondrona iraisam-pirenena. Nitsena ireto vahiny izay tonga hanelanelana sy hijery ny raharaham-pirenena malagasy ireto moa ny sora-baventy izay mitaky ny tsy tokony hisian’ny fanonganam-panjakana sy ny hisian’ny fitoniana ahatongavana amin’ny fifidianana. Tazana sy hita teny amin’ireo sora-baventy ireo ny hoe « ampio izahay amin’ny hisian’ny fitoniana sy hahatongavana amin’ny fifidianana » teo ihany koa ny fitakiana amin’ny tokony hampiharana ny fihantsiana sy ny fitarihana ny vahoaka malagasy hatao sorona. Tsara ny manamarika fa omaly ihany ireto iraka manokana ireto dia efa nanatanteraka ny asany, dia teo ny fihaonany tamin’ny Filoham-pirenena, teo ihany koa ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra maro isan-karazany. Ankilany dia andrasana ihany koa ny fahatongavan’i Joachim Chissano ny talata ho avy izao.

Iratra Raitra