17/10/2018

Fandrobana zandary teny 67Ha : Lasa ny basy

Naiditra am-ponja vonjimaika ireo telo lahy nikotrika ny fandrobana tamin’ny tranona zandary, rehefa avy nalaina am-bavany teny anivon’ny fampanoavana. Ny lehilahy iray moa no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana, izay narahan’ny fanampian’ireo roa namany iray petsapetsa taminy. Omaly araka izany ny fotoana nanaovana ny famotorana azy ireo tao amin’ny tribonaly tamin’ilay raharaha fandrobana ny tranona zandary teny amin’ny 67hekitara, izay naha-voarohirohy ireo telo lahy voasambotra ireo. Araka ny fampitam-baovao dia ny 26 aprily lasa teo no nisehoan’izany, raha ny alarobia teo izy ireo no sarona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana halatra. Fantatra tamin’izany fa ny lehilahy iray tamin’ireo no namana akaiky ity voalaza fa mpitandro filaminana mamita iraka ity ihany, ka izao noraisim-potsiny izao. Tamin’ny loharanom-baovao noho izany no nahafantarana fa tamin’ny fotoana tsy nahateo ity nilaza azy ho zandary ity no nidiran’ireo olon-dratsy antsokosoko tao amin’ny trano nisy azy, izay tsy nisy olona. Tamin’izany no nahalasan’ny fitaovam-piadiana fampiasany toa ny basy iray sy ny môtô. Mbola tsy tena fantatra araka ny tatitra ny teti-bidin’ny vola very tao ihany, fa raha ny fantatra dia efa olona efa mahafantatra ny fisiana entana ao aminy ihany no mpangalatra tafiditra teny an-toerana. Nametraka ny fitoriana avy hatrany moa ity mpitandro filaminana voatafika ity, noho ny fahaverezana ny fitaovam-piadiana, izay voalaza fa an’ny fanjakana ity. Izay natomboka tamin’ny olona teny amin’ny manodidina ihany ny savahao voalohany, sy ny fanadihadiana ireo mpiray tanàna. Nitohy tao anatin’ny fotoana maro ihany koa ny fikarohana nataon’ny polisy sy ity zandary voaroba teny an-toerana ity, ka nifanehitra taminy ny andron’ny alarobia alina lasa teo ireo roalahy namany nitondra ny môtô. Nanaovana fanadihadiana avy hatrany moa ireto roalahy voasakana, ka izy ireo indray no nanondro ny toerana nisy ny tena atidoha nikotrika ny halatra, ka tamin’izany no sarona ny basy halatra.

Valérie R.