15/12/2018

Fandraisana an-tanana ireo adala mirenireny : Mialangalana avokoa ireo tompon’andraikitra

????????????????????????????????????

Mitombo isa hatrany ireo olona adala mirenireny eto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato. Raha tsy misy ny fandraisana an-tanana haingana azy ireny anefa dia loza mitatao ho an’ny fiarahamonina, toa ny niseho teny Soavimasoandro, volana vitsy lasa izay. Raha ny hita eny rehetra eny, dia midaroka tampoka amin’ny hazo, mamelaka ny tehamaina, misintona sakafo eny an-tanan-jaza, mandona mafy be, mitabataba, mandrora… ampahany amin’ny fihetsika ataon’ireny adala ireny. Misy amin’ireny olona, izay torana mihitsy raha tratran’ny tehamaina mandrivorivo ataon’izy ireny. Ny sasany mandringo-bolo ka hifarimbonan’ny olona maromaro vao afaka ny tanan’ilay adala. Maratra mafy mihitsy ireo voakapoka amin’ny hazo nefa tsy hita ho valiana rehefa tratran’ny tampoka eny amin’ny lalana eny. Iza tokoa no tompon’andraikitra tokony handray an-tanana ireny adala ireny? Raha ny fanazavan’ny talen’ny BMH, Herivonona Durand Deris, izay sampandraharaha iray misahana ireny olona tsy salama saina ireny, miaraka amin’ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaomina Antananarivo Renivohitra, dia tompon’andraikitra avokoa ny rehetra manomboka eny amin’ny fokontany, kaominina, mpamonjy voina, polisy monisipaly ary nasionaly, minisiteran’ny Mponina sy ny Fahasalamam-bahoaka, ny BMH hatreny amin’ny hopitaly Anjanamasina. Fa anisan’ny antony tsy ahafahana mandray an-tanana azy ireny, ny fepetra napetraky ny toby fitaizana olona tsy salama saina eny Anjanamasina, hoy ny filazany. “Tsy afaka mandray ireny karazan’olona ireny mantsy ity toby ity, raha tsy manana fianakaviana izy ireny. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy manana fianakaviana avokoa ireo olona tsy salama saina eto an-drenivohitra. Ankoatra izay, dia efa nisy ny volavolan-dalàna noketrehin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amintsika mikasika ny fandraisana an-tanana ireny olona tsy salama saina ireny. Ny momba ny fiarovana ny zon’izy ireny anefa no tena betsaka fa tsy hita taratra loatra ao anatin’io volavolan-dalàna io ny fiarovana ny ain’ireo olona misambotra azy ireny sy mitondra azy eny amin’ny toby Anjanamasina. Nijanona teo ny fiketrehana io volavolan-dalàna io, ary tsy nisy nikitika intsony, efa ho herintaona izao”, hoy ny fanamarihan’ity tale ity.

Laurena Nany