19/12/2018

Fandraharahana : Misy fitsipika tsy maintsy arahina

Manify dia manify ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Izany hoe, vitsy ireo mpandraharaha anatin’ny sehatra ara-dalàna fa ny ankamaroany manao bizina. Nefa ny olona manao bizina tsy afaka atao hoe, mpandraharaha satria ny resaka fandraharahana dia tsy maintsy zavatra maharitra, hoy ny fanamarihan-dRakotondrainibe Carole, tompon’andraikitra ao amin’ny vondrona Axian. Mba hanampiana tosika sy hampianarana bebe kokoa ny fandraharahana araka izany no nananganana ny vovonana Nexta, ny vondrona Axian satria ny fandraharahana misy fitsipika dia tsy maintsy arahina. “Vovonana natsangana, ahafahana manampy ireo tanora na ireo efa zokiny, vonona handray ny lalan’ny fandraharahana. Ity farany izay mampiroborobo ny toe-karena ny firenena iray, ary ahazoana asa mamorona ny asa. Ny Nexta dia hahafahan’ny tsirairay mianatra ny resaka fandraharahana, ny zavatra ilaina amin’ny resaka fandraharahana, ny traikefa afaka azo ao anatin’ny fandraharahana miaraka amin’ny ireo matihanina”, hoy ny fanazavan-dRakotondrainibe Carole hatrany. Izany hoe, manome fiofanana sy “mentoring coatch” ny Nexta. Misy “coatch” efa vonona hanampy sy hanoro ireo manana tetikasa, ary mitarika azy ireo any amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola miara-miasa amin’ity vovonana ity. “Havondronay ny herinay mba hanampiana bebe kokoa ny tanora sy ny zokiny, izay te-handraharaha eto anivon’ny firenena. Ny vovonana Nexta vonona hanohana ara-bola ireo manana tetik’asa. Manana tambazotra ihany koa izahay, ka atolotra ireo mpandraharaha izay vonona hampiroborobo ny orinasany”, araka ny fanazavana hatrany. Tsy fantatra mazava anefa ny isan’ny olona hampiana, ary izay ny olana amin’ny tahaka izao satria ohatran’ny te-hisehoseho fotsiny fa tsy misy fiantraikany amin’ny fandraharahana eto Madagasikara. Nambara kosa anefa fa manana orinasa 16, mpiara-miasa 3 500, sy mpiasa 7 500 eo ho eo. Miara-miasa ihany koa amin’ireo vovonana rehetra efa misy eto Madagasikara i Nexta. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa nataon’ity vovonana ity omaly niaraka tamin’ny EFOI, BPW, Ong Hay Madagascar, UIEE, Sos Villages d’enfants, izay sampana efa miandraikitra ny resaka fandraharahana eto Madagasikara.

Laurena Nany