19/10/2018

Fandalovana an-tanindrazana : Nitohy tamin’ny fijerena baolina ny sehon’i Lalatiana

Nitondra tamberina sy tsiahy. Nafana ny fifankahitana teo amin’i Lalatiana sy ny mpankafy azy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, tao anatin’ilay seho « Lalao iray izay tiako indrindra ». Seho nanomezana fahafaham-po ny rehetra satria dia nitohy tamin’ny fijerena ny lalao famaranana teo amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny baolina kitra tany Russie ny fampisehoana. Nandritra ny seho dia niangalian’i Lalatiana niaraka tamin’ireo mpitendry niaraka taminy. Anisan’ireo niarahan’ireo mpijery tamin’i Lalatiana teny an-tsehatra ny « avelao aho », « Nofy »… Nahafa-po ny seho tamin’ny ankapobeny, na ny lafiny ara-javakanto na ny lafin’ny teknika. Raitra ny feo ary nandravaka ny seho ny jiro sy hazavana. Niara-dia taminy tamin’ireo seho io ry Solofo Bota sy Njaka (Vata maroafitsoka), Nini (Amponga maroanaka) ary Henintsoa (Gitara beso). Nanampy eo amin’ny feo lafika kosa, ary nanome endrika hafa ireo hira sasany ry Anaa Quartor.
Taorian’ny seho dia afaka niako ny lalao famaranana teo amin’i Frantsa sy Croatie tamin’ny alalan’ny fahitalavitra lehibe ireo mpijery liana tamin’izany.

Miarantsoa