19/12/2018

Fanatsarana ny fihodinana faharoa : Ilaina ny fanabeazana ny olom-pirenena

Navoakan’ny CENI ny sabotsy 17 novambra teo ny valim-pifidianana vonjimaika. Miandry ny fanapahan-kevitra ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana sisa, ny amin’ny mety hisian’ny fihodinana faharoa, na hijanona amin’ny fihodinana voalohany. Manana 9 andro nanomboka omaly, araka ny lalàna manan-kery mifehy ny fifidianana ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana mikirakira ny antontan-taratasy, mijery ny momba ny fitoriana momba ny raharaham-pifidianana na ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI indrindra indrindra. Fa hijereny ihany koa ny antotan-taratasim-pifidianana ahafahana mamoaka ny vokatra ofisialy. Raha mirona mankany amin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana, dia anisan’ny teboka iray lehibe ataon’ny CENI amin’ny fanatsarana ny fifidianana manaraka eo ny fanabeazana ny olom-pirenena momba ny raharaham-pifidianana. « Na nisy ny fanentanana nataon’ny CENI, ny fiarahamonim-pirenena tao anatin’ny fotoana nisokafan’ny lisi-pifidianana hanaovana ny fanavaozana, DIA tsy rototra ny olona. Nisy koa ny sokajin’ny olona, na vondrona tokony ao anatin’ny vaomiera misahana ny fanisana ny mpifidy, tsy niditra tao anatin’ny vaomiera. Ireny rehetra ireny no tokony hisian’ny fandraisana andraikitry ny rehetra miainga amin’ny fanabeazana ny tsirairay. Eo koa ny mahakasika ny lalàna”, hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano. Hanatsarana ny fifidianana ihany koa ireo tsikera sy tolo-kevitra voarain’ny CENI. « Nisy ihany koa ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana. Ny tsikera, na ny tolo-kevitra azon’ny CENI ireny, dia entin’ny CENI hanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana manaraka, ary ny zava-bitan’ny CENI amin’izao, hatolotra ihany koa ireo mpandimby rehefa tonga ny fotoana mba ahafahantsika manana fifidianana tsaratsara kokoa hatrany », hoy hatrany ny fanazavan’ity mpampaka-tenin’ny CENI ity.

Laurena Nany