19/10/2018

Fanatanjahantena : 90 tapitrisa Ariary ho an’ireo atleta hihazo an’i Djibouti sy Sina

Ny tso-drano zava-mahery. Mialoha ny hiaingan’izy ireo, dia noraisin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha omaly ireo atleta malagasy hihazo an’i Djibouti sy Sina, ary nandritra izany no nanolorana vatsy ho azy ireo mitentina 90 tapitrisa Ariary. Ny ampahany voalohany amin’ireo atleta ireo dia handray anjara amin’ny lalaon’ny Kaomisionin’ny tanora sy ny Fanatanjahantena ary amin’ny ranomasimbe Indiana na ny CJSOI izay atao any Djibouti ny 20 ka hatramin’ny 28 avrily ho avy izao. Taratasim-bola 30 tapitrisa Ariary sy lelavola 20 tapitrisa Ariary no natolotra ireo delegasiona hiatrika io lalao io. Taranja maromaro no handraisan’i Madagasikara anjara toa ny baolina kitra, ny taranja fototra ateltisma, ny judo, ny tenisy ambony latatra, ny hand-ball… Hifandona amin’izany ireo tanora avy amin’ireo Nosy manodidina ahitana an’i Comores, Djibouti, Maurice, Mayotte, La Réunion ary Seychelles. Ankoatra ny fanatanjahantena, dia hanana ny anjara toerana amin’io lalaon’ny CJSOI io ihany koa ny sehatry ny kolontsaina izay ahitana ny dihy nentin-drazana, ny teatra, fifankalozan-kevitra…
Fifanarahana vita soanian’ny filoha sinoa Xing Jing Ping sy ny filoham-pirenena malagasy, Hery Rajaonarimampianina kosa ny fisian’ireo atelta eo amin’ny tarnaja lomano hiatrika fiofanana any Sina. Efa ho iray volana izao no ef nivondrona tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ireo atleta ireo, ary ho fanohanana azy ireo ny taratasim-bola 20 tapitrisa Ariary sy ny lelavola 20 tapitrisa Ariary.Tamin’izao fihaonana izao dia nankahery sy nanome tso-drano ireo delegasiona ahitana ireo atleta, mpanazatra, mpitantana… ny Filoha, ary nanamarika fa anisan’ny ao anatin’ny vina « Fisandratana » ny ho avin’ny tanora Malagasy, ary ao anatin’izany ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina.

Miarantsoa