28/05/2018

Fanampiana an’i Eric Fou Hehy : Nitondra ny anjara birikiny ny Soluma sy Fitoniana Tour

Ho fanampiana sy fankaherezana an’i Eric ao amin’ny tarika Fou Hehy amin’ny aretina mahazo azy, dia namangy azy teny amin’ny HJRA ny filohan’ny fikambanana Soluma Ravelomanantsoa Be-Rija sy ny filohan’ny fikambanana Fitoniana Tour, Sambahita François Aimé ary nitondra fanampiana ho azy amin’ izao tsy fahasalamana mahazo azy izao. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nitondra am-bavaka ity mpanao hatsikana ity ihany koa izy ireo mba hahazoany fahasitranana haingana. Manoloana ny tsy fahasalamana mahazo an’i Eric izao moa dia nanentana ny olona rehetra ireto fikambanana ireto mba hanampy ny mpiray tanindrazana satria isan’ireo nahavita be teto amin’ny firenena amin’ny lafiny hatsikana i Eric Fou hehy, araka ny fanazavan’i Sambahita François Aimé, filohan’ny Fitoniana Tour. Ireto fikambanana ireto moa dia mpanao asa sosialy, ary fantatra amin’ny fanampiana ireo manana fahasembanana, be antitra, tanora, mpianatra, eo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena ary ny fizarana sakafo. Araka ny efa nampahafantarina ny rehetra, di any aretin’ny voa no mahazo an’i Eric ka mila fanoloana izay hatao any Inde ny fitsaboana mety indrindra aminy. Mila vola be, any ho any amin’ny 30 000 Dolara anefa izany ny fitsaboana rehetra, indrindra ny fandefasana azy any ivelany .

Laurena Nany