23/03/2019

Fanamboarana kalandrie : Lamaody ireo asiana sarim-pianakaviana

Tahaka ireo entana rehetra, izay tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olona dia manaraka lamaody ihany koa ny kalandrie na alimanaka. Tato anatin’ny taona vitsy izay dia mirona amin’ny fanaovana “calendrier personnalisé” ny olona. Maro araka izany ireo olona manao ny sariny, na sarim-pianakaviana, na ny an’ny fikambanana. Maro karazana ary azo hisafidianana tsara izy ireny eny amin’ny mpanamboatra, ireo “calendrier de poches” no tena be mpisafidy, noho izy afaka entina n’aiza n’aiza aleha, hoy ny fanazavana. Eo koa ny “calendrier chevalet” sy “mini-chevalet” izay apetaka amin’ny latabatra amin’ny birao izay afaka avadibadika. Misy koa ireo manana endrika “pyramide”, ary farany ireo apetaka amin’ny rindrina. Tsy ohatra ireo alimanaka tsotra fa somary lafolafo ny alimanaka asiana sary voatokana, na “calendrier personnalisé”. Manomboka eo amin’ny 5000 Ariary hatrany amin’ny 25 000 Ariary izany, miankina amin’ny endrika, ny habeany, ny haavony ary ny hamaroan’ny sary atao aminy. Fa nitombo kosa ny isan’ireo olona mpanamboatra “calendrier” tamin’ity raha ny fantatra. Raha ireo orinasa, ireo tranombarotra hanaovana dokam-barotra, ireo fiangonana, ireo fikambanana maro samihafa kosa no tena manjifa izany teo aloha teo dia efa manomboka liana amin’izany koa ireo fianakaviana, ireo olon-tsotra. Tafakatra 700 isa isan’andro araka izany ny alimanaka vokarin’ireo mpanamboatra nandritra ny volana vitsy izao. Nanomboka ny volana novambra 2018 lasa teo no nisokatra ny tsena ho an’ireo mpanamboatra alimanaka, ary mbola hilaharana ny fanamboarana izany amin’izao fotoana izao. Toa ny isan-taona, ny volana febroary no vinavinaina vao hitsahatra ny famandrihana ny fanaovana izany. Fa na izany aza, nahitana fitomboany avokoa ny vidin’ny alimanaka tamin’ity taona ity, raha ny fanamarihan’i Tiana, mpanamboatra “Calendrier”. Fiakarana manodidina ny zato hatramin’ny arivo Ariary eo, arakaraka ny habeny sy ny kalitaony. Ho an’ireo kalendrie tsotra izao dia manomboka amin’ny 500 Ariary ny vidin’ny iray, irony fanao anaty kitapo, na boky irony, ary mahatratra hatramin’ny 16 000 Ariary ireo mikopaka lehibe fanao amin’ny rindrina. Ireo salasalany manana habe 45×30 santimetatra no maro mpisafidy, satria mazava tsara ireo tarehimarika no sady tsy mibahana toerana be loatra rehefa ao an-trano.

Laurena Nany