24/06/2018

Fanamarihana ny Tolom-panafahana : “Firaisankina ho fisandratan’i Madagasikara”

29 martsa 1947-29 martsa 2018, feno 71 taona ny tolona nataon’ireo razambe nentina nanafoanana ny Malagasy teo ambany ziogan’ireo frantsay mpanjanaka. Tao anatin’ny tolom-panafahana nataon’ireo razamben’ny Malagasy izay, dia tafakatra 200 000 ny isan’ny Malagasy namoy ny ainy, ka mitoetra tsy mety voakosoka eto amin’ny firenena malagasy ny holatra navelan’ny fery 71 taona aty aoriana. Noho izany, homarihina rahampitso toa ny efa fanao isan-taona ny tolom-panafahana 1947 ho fanomezana lanja ny ran’ireo Malagasy latsaka ho fanavotana ny firenena eo ambany ny fifehezana frantsay. Amin’ity taona 2018 ity, dia hiavaka ny fanamarihana ho fanehoana ny firaisankinan’ny Malagasy rehetra, izay antony nisafidianana ny lohahevitra hoe, “Tolom-panafahana 1947: Firaisankina ho fisandratan’i Madagasikara”, rehefa tapaka nandritra ny filankevitra ny governemanta. Firaisankina ho an’ny fisandratan’i Madagasikara, satria fotoana hanehoana firaisankina ho fanomezana lanja ireo tolona nataon’ireo razambe ny andron’ny 29 martsa. Tolona izay manan-danja kokoa noho ny fankalazana ny nahazoana ny fahaleovantena raha tsy nisy ny 29 martsa, dia tsy nisy ny andron’ny 26 jona izay nahazoana ny fahaleovantena. Noho izany, tokony ho andro iray hiraisan’ireo mpanao politika rehetra eto Madagasikara ny datin’ny 29 martsa ho fanomezana voninahitra sy ho fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo razambe. Toa ny efa fanao moa dia hisy ny fanaterana voninkazo eny amin’ireo tsangambato samihafa tahaka ny eny Ambohijatovo, Mausolée ary Moramanga rahampitso alakamisy, ka ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery no hanatontosa izany voalohany, ary aorian’izay ireo antoko politika sy ny vovonana fikambanana maro samihafa.

Raha ny tantara, dia resy teo anatrehan’ny frantsay ny Malagasy tamin’ny 1896. Tonga zana-tanin’i frantsa i Madagasikara. Nalefa sesitany tany ivelany ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny praiminisitra Rainilaiarivony ary ny jeneraly Gallieni no nandray ny fitantanana ny firenena tamin’ny 1896 hatramin’ny 1905, ka very nanomboka teo ny fiandrianam-pirenena malagasy, ny lalàna sy baiko frantsay no nifehy ity Nosy voazanaka. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nifamahofaho ny zava-misy tao anatin’ny fanjanahan’ny frantsay ny Malagasy. Teraka ny antoko politika MDRM, na ny “Mouvement démocratique de la renovation malgache) tamin’ny 1946 ka telo lahy ireo nitarika ny antoko dia i Joseph Raseta, Joseph Ravoahangy, Jacques Rabemananjara, ary ny hamerenana indray ny fahaleovantenan’i Madagasikara no foto-kevitra nijoroan’izy ireo. Niaraka tamin’izany ihany koa no nitsangana ny vondron’olona isan-karazany tsy nahazaka ny rafitra fanjanahan-tany, araka ny tantara hatrany. Frantsay marobe no novonoin’izy ireo tamin’ny fomba masiaka isan-karazany niaraka tamin’ireo Malagasy niara-niasa tamin’ny mpanjanaka, ka 1900 no maty tamin’ny Padesm izay antoko politika notohanan’ny frantsay. Na dia teo aza ny tolona nataon’ireo Malagasy tia tanindrazana hahazoana ny fahaleovantena dia fantatra fa nandamoaka izany, ary nitohy ny fifehezan’i frantsa an’i Madagasikara. Rava niaraka tamin’izay ihany koa ny antoko MDRM tamin’ny 10 mey 1947. 7 taona taty aoriana anefa, resy an’ady tany Indochine i Frantsa, izany hoe tamin’ny 1954, ka voatery nanome fahafahana tsikekikely ireo zana-taniny i Frantsa, ary nomena an’i Philibert Tsiranana ny fitondrana tamin’ny jolay 1958. Nitsangana ny Repoblika malagasy tamin’ny 14 oktobra 1958, ary nambara tamin’ny fomba ofisialy teny Andafiavaratra sy teny Mahamasina fa firenena mahaleo tena indray i Madagasikara tamin’ny 26 jona 1960.

Laurena Nany