20/03/2019

Fanalana fako eto an-drenivohitra : Kamio 25 no ahetsika mandritra ny 10 andro

Tsy dia ahitana fako mivangongo eraka ny arabe intsony eto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Mitohy ny fanesorana fako manerana ny tanàna ataon’ny orinasa Samva ho fanadiovana ny tanàna. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, fiara miisa 13 no nifarimbona nanala ny fako teto Antananarivo ho famongorana ny fako. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mitohy ny ezaka mba hitsinjovana ny fahasalaman’ny vahoakan’Antananarivo, hoy ny tale jeneralin’ny Samva Rakotoarivony William, omaly. Izany hoe, nanampy fiara lehibe 12 ny Unicef hanampy ireo 13 efa am-perinasa ireo. “Manomboka androany hariva (omaly hariva) dia hiasa ao anatin’ny 10 andro ireo kamio lehibe ireo hamongorana ireo fako be manerana ny tanàna. Olona 8 isaka ny kamiao no hiasa hanala ny fako ka tafiditra ao anatin’io isa io ny mpamily. Tsy misy olana ny resaka solika hatreto fa mandeha tsara ny asa. Tokony hadio izany ny tanàna ao anatin’io 10 andro io”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly, Rakotoarivony William. Fantatra ihany koa fa niha naloto ny tanàna nanomboka ny 1 janoary teo. Tafakatra 500 hatramin’ny 600 taonina isan’andro ny fako raofin’ny Samva, raha 270 hatramin’ny 300 taonina isan’andro teo aloha. Isan’ny maha betsaka ny fako amin’izao fotoana izao ny mbola fisian’ny litchi sy ny garaba, ny voankazo isan-karazany ary ny legioma, hoy hatrany ny tale jeneraly.

Laurena Nany