21/11/2018

Fanakorontanana teny Ankatso : Voatery nosokafana ho an’ny Emmo-reg ny oniversite

Nafana ny hetsika teny amin’ny oniversite Ankatso omaly. Nisy indray ny fifandonana teo amin’ny samy mpianatra. Izany hoe ireo te-hianatra sy ireo te-hitokona. Fa nisy koa ny fitorahana vato ireo mpitandro filaminana teny amin’ny 119 sy fandorana kodiarana, ary fanakanan-dalana tamin’iny lalana mihazo an’Antsahamamy iny. Manoloana ity fihetsika tsy voahevitra nataon’ireto mpianatra dia voatery nosokafana ho an’ny Emmo-Reg ny oniversite. “Misy miaraka amin’ny antsy, etsy ankilany misy ireo mitora-bato ny hafa dia nanao “levé de franchise” teny amin’ny campus nisy mpianatra nigafy sy teny amin’ny Croua mibahan-dalana teny Antsahamamy izahay. Izaho dia manamafy fa nanao ny “levé de franchise universitaire” ary nampilaza tamin’ny ramatoa minisitry ny Fampianarana ambony teo noho eo ihany”, hoy ny fanamafisan’ny filohan’ny oniversite, Ramanoelina Panja. Raikitra ny fanenjehana ireo mpianatra tamin’izay fotoana izay, ary nisy ireo nosamborina nanaovana fanadihadiana. Manoloana io fiakaran’ny Emmo-reg teny amin’ny faritry ny Oniversite io kosa dia nanambara ny Seces sampana Antananarivo ary ireo mpianatra fa manameloka tanteraka izany. Etsy ankilany mbola nanamafy ny filohan’ny oniversite, Ramanoelina Panja fa tafiditra ao anatin’ny naoty nivoaka omaly mahakasika ny fitsipika anatiny mifehy ny oniversite amin’ny tsy fanakorontanana ny fampianarana sy tsy fahazoana manelingelina ny mpianatra amin’ny safidiny ity fanapahan-kevitra noraisina ity.

Laurena Nany