14/11/2018

Fanafihan’ny dahalo tany Morondava : Nikatona ny biraom-pidianana

Tsy mifidy fotoana intsony ny dahalo manao fanafihana mitam-piadiana amin’ny andro mazava. Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo basy tany amin’ny fokontany Befasy kaomina Mahasoa distrikan’ny Morondava, ny andron’ny fotoam-pifidianana ny alarobia 7 Novambra lasa teo. Nirefodrefotra ny poa-basy, raikitra ny fifanjevoana sy ny tabataba. Raha ny zava-nisy tany an-toerana, nanararaotra ny androm-pifidianana ireo olon-dratsy ary dia nandravarava ny tanana. Voatery nakatona mihitsy ny biraom-pifidianana noho ny nafitsok’ireto dahalo nandravarava tao an-tanana. Tsara marihana fa tsy voakasika ny biraom-pifidianana saingy noho ny tahotry ny mponina mbola teny am-pilaharana hifidy. Tokan-trano maromaro no fantatra fa niharan’ny fanafihana tamin’io fotoana io, noraofin’ ireo dahalo avokoa ny omby. Nisy ny fifanjevoana ary niezaka nanohitra ireo tompon-trano, saingy tsy nahatohitra ireo dahalo raha ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana. Nisavorovoro niala ny toeram-ponenany ny olona ary vaky nandositra koa ireo mpifidy rehetra. Tonga tao an-toerana kosa ny mpitandro filaminana taorian’ny fampandrenesana azy. Efa nandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana. Taorian’izay kosa dia efa niverina tamin’ny laoniny ny fizotry ny fifidianana. Nisy sasany tamin’ireo vatan-dehilahy no nanara-dia ireto dahalo nilanja fitaovam-piadiana, nanampy ny mpitandro filaminanana.

Valérie R.