25/04/2018

Fanafihana tany Manjakandriana : Ndoboka am-ponja ny efa-dahy

Notanana am-ponja vonjimaika avokoa ireo efa-dahy voasambotra fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana rehefa nandalo famotorana teo anoloan’ireo mpitsara mpampanoa lalàna, tao amin’ny fampanovana. Tany amin’ny kaominina Alarobia Ambatomanga distrikan’ny Manjakandriana no nisehoan’izany, ny alin’ny talata lasa teo. Toerana iray tsy dia ahitana filaminana firy amin’ny resaka asan-jiolahy tato ho ato any an-toerana raha ny tatitra avy amin’ny zandary am-perin’asa, satria tombanana ho mbola miisa am-polony no karohina amin’ity resaka fanafihana mitam-piadiana ity, hoy hatrany ny fanazavana nentiny. Tamin’ity tranga iray tany amin’iny kaominina iny ihany dia fantatra fa mpiambin-tanana no lasibatr’ireo andian-jiolahy ireto nandritry fanafihana tamin’io alina io, izay noho izy niezaka niaro ny tenany no nodarohan’ny iray tamin’ireto mpanafika tamin’ny vodi-basy. Tsy vitan’izany anefa fa mbola nofirain’ireto farany tamin’ny sabatra teny amin’izy ireo ihany koa ny tongotr’ilay “gardien”, ka tsy nahatsiaro tena noho ny fahavoazany izy. Tamin’izany no nahazoan’izy ireo ny fanalahidy ny trano ary nahatafidirany, izay tsy nisy tao avokoa ny tompon-trano. Araka ny fampitam-baovao anefa dia nisy hatrany ny olona tao an-tanana no nahatsikaritra ny trangan-javatra, na efa tao anatin’ny alina tanteraka aza. Ka izy ireo indray no nandray an-tanana tamin’ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Tetsy anikilan’izay dia mbola tratra am-bodiomby teo am-pamoahana ny entana ireo mpanafika, anisan’izany ireo entana lafo vidy sy ny kojakoja an-dakozia. Tamin’ny fotoana nahatratrarana azy ireo no sarona ireo fitaovam-piadiana toa ny sabatra sy basy vita gasy iray. Eny Antanimora indray araka izany no hiandry ny fotoam-pitsarana azy ireto jiolahy, izay an’ny mpitsara indray ny mamehy ny sazy tokony sahaza azy ireo.

Valérie R.