16/12/2018

Fanafihana tany Brickaville : Telolahy voasambotra

Ela notoratorahana ka nahavoa mason’angotra, izay no azo ilazana ireto jiolahy mpampihorohoro vahoaka tao amin’ny distrikan’i Brickaville ireto. Ravan’ny polisy ny telo tamin’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-basy tsy nisy fitsaharana, tao amin’ny kaomina Ambinaniniony distrikan’i Brickaville io. Araka ny loharanom-baovao, nahare vaovao ny mpitandro filaminana fa ireto farany no nandray anjara tamin’ny fanafihana nirongo basy tao an-toerana, ny sabotsy lasa teo. voalaza mantsy fa tokantrano miisa no indray notetezin’ireo jiolahy notafihana. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny tao amin’ny fokontany Ampasimadinika, Ambohimarina, Sahavandana, ary Anjamany. Nisy ny fifandonana tamin’ireto jiolahy niaro fifampitifirana nahery vaika, ka olona maro no naratra mafy. Noho ny fahavoazany tamin’izany dia nahazoam-baovao fa misy no mbola miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny Hopitaly Be Toamasina, vokatry ny tifitra nahazo azy ireo. Rehefa nahazo fampandrenesana mahakasika ny raharaha kosa ny mpitandro filaminana, dia nanao ny fikarohana avy hatrany. Nandritry ny fisafoana natao no nahalalana ny toerana nisy azy ireo, ka raikitra ny fisamborana. Nifanome tanana tamin’ny mpitandro filaminana rahateo ireo sefo fokontany ka nahitam-bokany. Voasambotra ny roalahy, ary izy ireo indray no nahalalana ny misy ny namany. Tamin’ny fotoana nahatrarana ireto telolahy, dia mbola sarona tao an-tranony ny basy “calibre 12”. Misy amin’ireto farany, izay mpiasa amina tetik’asa iray any an-toerana, ary mahalala tsara ireo tanàna sy lalana, ary mpandraharaha ao amin’ny Kaomina Ambinaniniony. Io lehilahy io no mpanoro ireo olon-dratsy sy mpanome ny mombamomba olona, na tokantrano hotafihina.

Valérie R.