19/08/2018

Fanafihana tany Anjozorobe : Raim-pianakaviana nokapain’ny dahalo famaky

Dahalo manodidina ny telopolo lahy nitondra basim-borona miisa sivy sy antsy lavalela ary famaky no nanafika tanàna tany amin’ny fokontany Ambolotarafotsy, Kaomina Androvakely, disitrikan’ Anjozorobe ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 05ora sy sasany hariva. Maty nokapain’izy ireo tamin’ny famaky ny raim-pianakaviana iray isan’ny mpiambina amina vondrona iray antsoina hoe “zamami”, raha niandry tanàna tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavana nentin’ny mponina tao an-toerana, dia lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny omby miisa 80 tao an-tanàna. Talohan’ny nidiran’izy ireo amboletra dia efa mpiandry omby miisa telo no efa nofatoran’ireo dahalo niainga avy any an-tsaha. Nentin’izy ireo nidirana tao an-tanàna moa ireto farany, izay norarafany tamin’ny tora-bato aloha ilay trano, ary novakiany tamin’ny famaky ny varavarana nony avy teo. Ny fokonolona kosa samy nitampify tany an-tranony avy. Tsy nisy resaka teo fa avy hatrany dia nampiasa hery ireto dahalo. Tamin’izany no nahavoakapa famaky ilay rangahy mpiambina, ary namoy ny ainy teo noho eo. Rehefa hitan’ireto olon-dratsy fa tsy misy manohintohina intsony ny fanaovan’izy ireo asa ratsiny dia nibata izay zakany izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary. Efa lasa ireto andian-dahalo ireto vao nisy nampandre ny zandary, izay tonga ny ampitson’ny tranga.

Valérie R.