23/06/2018

Fanafihana sinoa teny Ambohidratrimo : Jiolahy miisa dimy voasambotry ny zandary

Rehefa nandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana, dia tra-tehaky ny zandary ny dimy tamin’ireo jiolahy miisa sivy tompon’antoka tamin’ny raharaha fanafihana teratany sinoa teny Soamanandray, kaomina ambanivotr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo ny 02 jona lasa teo. Ny faran’ny herinandro no nanomboka ny fisamborana ka lehilahy iray, mpiasa tao amin’ity teratany vahiny izay efa voaroaka, saingy nahiana mafy ho nandray anjara tamin’ilay asa ratsy no nopaingorin’ireo mpitandro filaminana voalohany. Rehefa nandeha ny fakana am-bavany azy, dia niaiky ny zavatra vitany ity farany. Tamin’ny alalan’ny famotorana ihany koa no nahafantarana ireo jiolahy namany izay niray tendro taminy. Nisesisesy ny fisamborana taorian’izay, ka omaly vao maraim-be no sarona ny fanindiminy tamin’izy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo efatra ambiny izay maha-sivy azy ireo. Raha tsiahivina ny zava-niseho, dia notafihana jiolahy miisa sivy mitam-basy ny orinasan’ity teratany sinoa ity. Very tamin’io andro io avokoa ny vola mitentina 26 tapitrisa Ariary niaraka tamin’ny entana sarobidy mitotaly 25 tapitrisa Ariary. Nampandre ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo avy hatrany ireo niharan-doza ka rehefa nandeha ny fanadihadiana, dia izao nahitana mangirana izao. Anio moa no entina eo anatrehan’ny fampanoavana izy dimy lahy ireo, izay marihina fa samy niaiky ny heloka vitany avokoa.

Mialy R.