19/10/2018

Fanafihana mpandraharaha tany Ambanja : Jiolahy telo nadoboka am-ponja

Jiolahy miisa telo, tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpandraharaha mpivarotra drakaka tany Ambanja, vao tsy ela akory izay no nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany taorian’ny nanolorana azy ireo teo anatrehan’ny fampanoavana tany an-toerana ny alarobia lasa teo. Vola mitentina 16 tapitris Ariary niaraka tamin’ny finday moa no voaroban’ireo olon-dratsy ireo tamin’izany, ary rehefa nandeha ny fanadihadiana dia izao niafara tamin’ny fisamborana sy ny fanadobohana am-ponja izao.

Mialy R.