19/07/2018

Fanafihana mitam-piadiana : Voasambotra teny Ambanidia i “Ra-Cô”

Nanaovan’ ny polisin’ny UIR sarika am-pandriana teny amin’ny trano fonenany teny Volosarika Ambanidia ny alakamisy vao maraina tokony ho tamin’ny 05 ora tany ho any i Ra-Cô, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Araka ny loharanom-baovao, dia isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-basy niseho ny marainan’ny 21 martsa 2018 lasa teo, izay naha-lasibasitra olona handeha hanao “versement” mitentina 30 tapitrisa Ariary ity olon-dratsy ity. Raha ny voalaza ihany koa, dia mbola voarohirohy tamin’ny fangalarana volamena milanja 384 grama, tamin’io olona niharan-doza teo aloha io ihany izay nitranga teny Avaratr’Ankatso ny marainan’ny 31 martsa teo ny tenany. Nisy nahatsikaritra moa ity jiolahy ity tamin’ny fotoana nanatanterahany ny asa ratsiny, ka tamin’ny alalan’izany no nahafantarana fa nitondra moto Bws izy, izay marihina fa nolokoiny mena taorian’izay raha mainty ny lokon’izany teo aloha. Tsy nahasakana ireo mpitandro filaminana hanao ny asa fikarohana anefa izany, ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy izao. Raha ny fantatra ihany koa, dia nanao “survêtement” miloko volondavenona i Ra-Cô, ka rehefa natao ny fakana am-bavany ny vadiny dia nanamafy ity farany fa manana karazana loko amin’ity karazana akanjo ity izy. Rehefa natao moa ny fisavana ny tranony dia hita tao tokoa io akanjo voalaza fa nanaovany io. Nentina teo anivon’ny sampana ady heloka bevava moa ity jiolahy ity, izay fantatra fa efa voatonontonona tamina fanafihana mitam-basy miisa telo samiha. Rehefa vita ny famotorana dia atolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Mialy R.