21/02/2019

Fanafihana mitam-piadiana : Tra-tehaka teny Itaosy I Rablou

Lehilahy iray antsoina hoe Rablou, havanana sy gaigilahy amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy ny asa fanendahana no saron’ny zandary teny Ambohidrapeto- Itaosy, ny alakamisy 21 desambra lasa teo. Araka ny fantatra, dia efa ela no nikarohana ity jiolahy, izay mampitaraina ny mponina eny Itaosy, Ampitatafika ary ny faritra Atsimondrano rehetra iny. Tamin’ny alalan’ny fitrandraham-baovao nandritra ny fotoana maharitra no nahafahana nisambotra ity olon-dratsy ity, raha ny voalazan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.”Teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana amin’izao fety izao i Rablou no tratra. Tena fetsy ity jiolahy ity saingy izao voasambotra izao ihany”, hoy ihany ny fanampim-baovao. Ankoatra ny fakana am-bavany azy, dia nisy moa ny fisavana ny trano fonenany, saingy tsy tratra tao an-toerana ny fitaovam-piadiana fampiasany rehefa manatanteraka ny asa ratsiny. Raha ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia rongony no hitan’izy ireo. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa tafiditra ao anatin’ny fikambanan-jiolahy tena matanjaka i Rablou, ary naman’i Radomainty, isan’ireo jiolahy mbola hifampitadiavana fatratra amin’izao fotoana izao. Isan’ireo toerana fieren’ireo olon-dratsy eny amin’iny faritr’Itaosy iny, ary saika teny an-toerana avokoa no tra-tehaka sy lavo ireo jiolahy efa ikoizana sy nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, raha tsy hilaza afa-tsy ny nahalavoana an’i Mika Be loha, mpanao “kidnapping” efa fanta-daza. Rehefa vita ny fanadihadiana hataon’ireo zandary, dia atolotra ny fampanoavana avy hatrany ity jiolahy isan’ny raindahiny ity.

Mialy R.