25/05/2018

Fanafihana mitam-piadiana : Rangahy maty voatifitra teo amin’ny lohany

Mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny kaomina Ambatofotsy tato ho ato. Etsy andanin’izay dia nahazoam-baovao fa efa somary nilamina raha tao amin’ny tanàna io, volana maromaro izay. Araka izany dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana ny sabotsy lasa teo, izay niaro fandratrana tamin’ny alalan’ny basy. Tamin’ny fampitam-baovao no nahazoam-baovao fa raim-pianakaviana iray no lavo noho ny tifitra nataon’ireo jiolahy teo amin’ny lohany, niaro daroka tamin’ny alalan’ny famaky nandritry ny fandrobana tao amin’ny trano fonenany, tany amin’ny fokontany Ambohitsilazaina kaominina Ambatofotsy. Jiolahy manodidina ny dimy lahy araka ny loharanom-baovao no voalaza fa nifanehitra tamin’ity tompon-trano ity, rehefa nahare azy ireo dia nirohotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toa ny basy sy ny famaky. Tsy naharitra izany anefa ilay rangahy, ka nivoaka ny varavarana mihitsy nijery ny zava-nisy, izay ny alin’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany alina tany ho any no nitrangan’ny loza. Tamin’izany no nidiran’ireto farany an-terisetra, ka nanohitra azy ireo tamin’ny alalan’ny basy teny aminy ihany koa ity raim-pianakaviana, ka tamin’izany no notifiran’ireo olon-dratsy azy tamin’ny basy, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Voatifitra teo amin’ny lohany ary teo amin’ny tratrany raha ny fantatra no tsy nahatana ny ain’ity raim-pianakaviana, izay nahitana fa tifitra indroa no nahazo azy tao amin’ny tokantranony nandritry ny fitsirihana nataon’ny zandary nijery ifotony ny toe-java-nitranga. Taorian’izay vao nanatanteraka ny fandrobana tao amin’ireo vady aman-janak’ity farany ireo olon-dratsy, ka nahalasan’ny vola mitentina iray hetsy Ariary. Araka izany dia nanao fanambarana ny zandary tao amin’io kaominina voatondro io nandritry ny famotorana, fa trangan-javatra efa nomanina ity niseho tamin’ity raim-pianakaviana ity. Izay tombanana ho efa nanara-dia azy ireto jiolahy noho ny antony mbola tsy fantatra, satria mbola tao anatin’ny andro tsy fivoahan’ny olon-dratsy mihitsy raha ity ora nisehoana fanafihana mitam-piadiana ity. Efa eo am-panaovana fanadihadiana lalina sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Valérie R.