21/09/2018

Fanafihana karana teny Tanjombato : Olona telo voasambotra

Vehivavy roa sy lehilahy iray, tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fandrobana karana teny Tanjombato no saron’ny polisy teny an-toerana, tamin’ny 07 janoary lasa teo. Araka ny loharanom-baovao, dia niditra an-keriny tao an-tokantranon’ io karana io ny roa tamin’ireo olon-dratsy ireo tamin’io andro voalaza io. Rehefa tafiditra tao an-toerana ireto farany, dia nanakenda avy hatrany ilay karana vavy. Tsy vitan’izay fa mbola notapenan’izy ireo ihany koa ny vavany talohan’ny hanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Tsy araka ny zavatra noeritreretin’ireto olon-dratsy anefa ny zava-niseho fa mbola afaka niantso vonjy ilay niharan-doza ka nitari-dositra avy hatrany ireo mpandroba ireo. Tsy lasa alavitra akory ny iray tamin’izy ireo, dia tratran’ny mpiambina ny tanàna. Nampandrenesina avy hatrany ireo polisy teny an-toerana, ary noentina nanaovana fanadihadiana io voasambotra io. Ny fakana am-bavany ity farany no nahafantarana fa saika handroba ny volan’io karana io izy ireo saingy rava maina izany. Tamin’ny alalany ihany koa no nahafahana nisambotra ilay olon-dratsy fanindroany sy ny vehivavy iray hafa niray petsapetsa tamin’izy ireo. Mbola tsy vita hatreo moa ny mahakasika ity raharaha ity, satria mbola karohina fatratra ny mpiasa vavy iray kilasimandry ao amin’ity karana ity, izay tsy hita popoka. Nandritra ny famotorana ihany koa no nahafantarana fa mpihavana izy telo mianadahy nikasa handroba karana ireto.

Mialy R.