19/11/2018

Fanafihan-dahalo tany Tsaratanàna : Olona telo namoy ny ainy, trano 78 kila forehitra

Nisehoana fanafihan-dahalo indray tany Amboasary, fokontany Ambodiavoara, kaominina Sakoamadinika, distrikan’i Tsaratanàna ny 05 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Vokany omby miisa 30 tao amina fianakaviana iray no very lasan’ireo malaso miisa 70 nirongo basim-borona, ary olona miisa telo no maty novonoin’izy ireo. Tsy nionona tamin’izay halatra sy vonoan’olona izay ireo olon-dratsy, fa mbola nodoran’ ireto farany ihany koa ny trano miisa 78 tany an-toerana. Nitari-dositra nitsoaka ireo dahalo taorian’izay. Nidina tao amin’ity toerana voatafika ity ihany koa ireo zandary vantany vao nahazo fampandrenesana. Misokatra ny fanadihadiana, ary efa mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao.

Mialy R.